28/03/2026
🇲🇬 Notanterahina tamim-pomba ofisialy androany 28 Martsa 2026 teto amin’ny orinasa SRAF – Société Ramanandraibe Fille, Ampamakiambato (ampitan’ny OSIET), ny fanolorana taratasy fanamarinana famaranana fampiofanana (attestation de fin de formation) ho an’ireo tanora miisa 27 avy ao amin’ny Fokontany Ambinanibe, taorian’ny fiofanana nataon’izy ireo nandritra ny volana Febroary lasa teo.
Fiofanana nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny toetra maha-olona no notanterahina, ka nandrakotra lohahevitra manan-danja toy ny fitsipi-pifehezana, ny fandraisana andraikitra amin’ny fanatanterahana asa, ny fahatokisan-tena, ny faharanitan-tsaina ara-pihetseham-po (intelligence émotionnelle), ny fikarohana ny tanjona manokana fantatra amin’ny hoe “ikigai”, ary ny fanalahidin’ny fahombiazana eo amin’ny fiainana.
Ity fiofanana ity dia nokarakarain’ny orinasa SRAF, notarihin’ny Tale Jeneraly, Ramatoa Asta Ramanandraibe, niaraka tamin’ny mpampiofana Andriamatoa Kardas Sénèque Zandritsivery, izay mpampiofana fototra ao amin’ny Center for Business Leadership (CBL).
Marihina fa fiofanana ambaratonga voalohany ity notanterahina ity, ary nisokatra ho an’ny rehetra tsy ankanavaka: tanora sy olon-dehibe, mpianatra sy mpiasa, na lahy na vavy, ka nahafahan’ny maro nandray anjara sy nahazo tombontsoa tamin’ireo lohahevitra maro natolotra.
Nandritra ny lanonana dia nasongadin’ny mpikarakara fa zava-dehibe ny fanomezana fitaovana ara-tsaina sy ara-moraly ho an’ny olom-pirenena, indrindra ho antsika any amin’ny faritra, mba hanamafisana ny fahaiza-mitarika sy hanampy amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny firenena.
Ny fanolorana izao taratasy fanamarinana izao dia mariky ny fahavitan’ny fiofanana ary dingana voalohany amin’ny fananganana olom-banona, mahay mitarika, ary vonona hiatrika ny fanamby eo amin’ny fiainana sy ny asa.
-------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
🇫🇷 Une cérémonie officielle de remise d’attestations de fin de formation s’est tenue ce 28 mars 2026 au sein de la Société SRAF - Société Ramandrandraibe Fille, à Ampamakiambato (en face de l’OSIET). Elle a concerné 27 jeunes issus du Fokontany d’Ambinanibe, à l’issue de la formation qu’ils ont suivie au cours du mois de février dernier.
Cette formation était axée sur le développement des compétences et des qualités personnelles. Elle a abordé des thématiques essentielles telles que la discipline, le sens des responsabilités dans l’exécution des tâches, la confiance en soi, l’intelligence émotionnelle, la recherche de sens de vie à travers le concept d’« ikigai », ainsi que les clés de la réussite.
Organisée par la société SRAF, cette session a été dirigée par la Directrice Générale, Madame Asta Ramanandraibe, en collaboration avec le formateur Monsieur Kardas Sénèque Zandritsivery, également formateur principal au Center for Business Leadership (CBL).
Il est à noter qu’il s’agissait d’une formation de niveau 1, ouverte à tous sans distinction : jeunes et adultes, étudiants et professionnels, hommes et femmes. Cette diversité a permis à un large public de bénéficier des enseignements dispensés.
Lors de la cérémonie, les organisateurs ont souligné l’importance de doter les citoyens, notamment en région, d’outils intellectuels et comportementaux afin de renforcer leurs capacités de leadership et de contribuer au développement de la communauté et du pays.
La remise de ces attestations marque non seulement l’achèvement de la formation, mais constitue également une première étape vers la construction d’individus compétents, responsables et prêts à relever les défis de la vie professionnelle et personnelle.
SRAF - Société Ramanandraibe Fille
des