21/03/2026
TENA ILAINA VE NY FAMPIASANA RITUELS ?
Matetika dia efa lasa fahazaran-dratsy ananantsika indray ity fampiasana rituels ity ! Ka rehefa mba nahalala isika na mba nahita ihany koa ny fiainana amin’ity tena Ateraka indray ity, na ny Eveil spirituel marina, dia lasa manana fahazarana tonga dia hamoaka ny hery rehetra ao anatintsika ihany isika avy amin’ny fampiasana ireo karazana rituels isan-karazany, nefa tsy azontsika an-tsaina fa nitarika antsika rehetra ho amin’ny lalan-diso vaovao indray ange izany, tahaka ny nahazo ireo Kristiana rehetra ihany. Dia inona no vokany ? Samy maty avokoa ny rehetra, satria diso Lalana avokoa! Fantatrao ve izany lalan-diso mbola nahavoafitaka ny maro izany ?
Tena ilaina ve ny rituels? Fa nahoana moa isika no mampiasa rituels? F’angaha ianao tsy mahatoky ilay fahaizan’ilay Fanahy na i Kristy ao anatinao no mampiasa azy ity? Ny olona taloha hatrizay dia tsy mba nampiasa rituels, fa lasa fombantsika ankehitriny ny fampiasana azy ity! Fa nahoana?
Ry zareo “ratsy” ihany no fototry ny olana mitondra antsika amin’izy io! Ry zareo “ratsy” mantsy dia tsy manana fahefana hiditra any amin’ny Fiainana vaovao, na ny Fiainana mandrakizay, noho izany haratsiny izany ihany. Saingy efa miaina kosa izy ireo amin’ny 4ème Dimension, izay mbola ambonintsika kokoa izay miaina amin’ny 3ème Dimension, izany hoe isika na ny olona mbola tsy tonga amin’ny TENA Ateraka indray marina. Dia eo isika no araraotiny, ka na olona afaka ny handresy azy aza isika, dia fitahiny avy amin’ny tsy fahazoana zavatra sy ny tsy fahaizana mandalina ihany! Koa mihevera tena ianao!
Raha mieritreritra tsara isika dia mahalala tsara, indrindra ireo Mpanaraka rituels, fa tsy manokatra ireo Chakras na ny Fiangonana ao anatintsika avy aty ambany mankany ambony araka ny filaharany akory isika, fa tonga dia manana fahamaihana ny hanokatra ny any ambony avy hatrany, indrindra ity 3ème oeil ity, mba hahafahantsika hamoaka ny hery ao anatintsika ihany! Mety ve izany aminao? Mety ve ny fandinganana tonga dia hanokatra ny ambony nefa ny eo ambany aza, tsy nandalovana akory? Ara-drariny ve izany aminao?
Fantatrao ve fa talohan’ny nahatongavana tamin’ny Eveil spirituel, dia tsy mbola afaka nitondra antsika mihitsy ny Fanahy tao anatintiska fa mbola natory hatrany teo aloha, ka izany indrindra no antony namohazana Azy? Etsy andanin’izay ihany koa dia mbola betsaka ny zavatra tsy haintsika tsara teo amin’ny fiainana, ka nahatonga antsika nanao zavatra tsy araka ny tokony ho izy, indrindra tamin’ireo fandalovana ireo karazana olana izay nalefan’ny Karma tao anatintsika ihany. Ary rehefa manao zavatra tsy mety isika, na tsy araka ny tokony ho izy, dia mitondra ratsy ho an’ny vatantsika ihany izany, ampian’ny vatantsika izay tsy mbola tsara rafitra tamintsika vao teraka, ka niteraka ireo aretina isan-karazany tao anatintsika ihany. Izany no mahatonga antsika harary hatrizay! Satria mbola tsy mahay isika, mbola tsy mahalala ny lalana tokony ho alehantsika marina, ka mora azon’aretina!
Saingy rehefa manomboka tena olon-dehibe marina isika, ka mahita ny Fiainana marina, ary mahazo ny Lalana tokony ho aleha no manomboka tsy mora andairan’aretina intsony. Ary eto isika no mila mamantatra amin’izay ny tokony ho lalantsika mankany amin’ny Eveil spirituel marina, na ny TENA Ateraka indray. Rehefa tonga eto anefa isika, dia tsy maintsy efa azon’ny tsy araka ny tokony ho izy ny vatantsika noho ny fiainana nolalovantsika teo aloha, ka anjaran’ny Fanahy ao anatintsika, rehefa tena Aterka indray isika, no manamboatra ny tenantsika mba ho tena araka ny tokony ho izy amin’izay. Azo amboarina tsara io tenantsika io, mba hahatonga azy ho mety sy ho tonga lafatra, ka hahatonga antsika ho mendrika ny antsoina ho Andriamanitra marina atsy aoriana.
Noho izany, ny zavatra tokony hilofosantsika voalohany dia ny fanamboarana ny tenantsika aloha! Mbola betsaka ny tsy mety ao anatin’ny tenantsika, koa rariny raha mbola tsy hivoaka avy hatrany ireo “hery” isan-karazany efa ao anatintsika tsirairay avy, raha vao tonga amin’ny Eveil spirituel fotsiny isika! Mbola marary isika ary mila fanasitranana aloha! Koa aza maika loatra hamoaka ireo hery ao anaty avy hatrany!
Inona no fanamboarana voalohany ataon’ny Fanahy aminao? Ny famadihana ny « Mémoire » ao aminao mba ho lasa « Intelligence ». Izay aloha ! Amin’izay isika mba hahazo ny fiainana marina, ary afaka ny hahalala ny Lalana mila aleha marina. Nefa amin’izay ihany koa isika no afaka ny handresy ny fahafatesana marina. Ary rehefa azontsika izy ity, no mahasokatra ilay Fiangonana na Chakra fahadimy isika. Matetika anefa dia ity Chakra fahadimy ity ihany koa no sakanan’ireo “ratsy” ihany amintsika ny fanokafana azy. Tiany isika ny tsy hahazo tsara, amin’izay manaraka ny teniny!
Aza adinoina ihany koa, fa ireo “ratsy” ireo dia tena mila mampiasa rituels mihitsy mba hahafahany mamoaka ny ao anatiny. Saingy tsy mitovy aminy isika. Isika dia olona mendrika ny handray ny Fiainana mandrakizay, raha manaraka tsara ny Lalana, fa tsy olona “ratsy” toa azy ireo akory. Ry zareo no “ratsy” ary tsy mendrika ny hahazo ny Fiainana fa tsy isika! Ny Fanahy ao anatintsika dia efa mahalala tsara ny Lalana tokony hitondrany antsika tsirairay. Noho izany, tsy mila rituels isika, fa efa hain’ny Fanahy ao anatintsika ny mitondra antsika amin’izany! Manàna fahatokisana amin’ilay Kristy ao anatinao ianao!
Rehefa mandresy ny fahafatesana isika, dia mbola tsy tapitra mihitsy ny fanasitranana ireo aretina isan-karazany tao anatintsika! Ary izany indrindra no mbola sakana mahatonga ny hery ao anatintsika tsy hivoaka avy hatrany. Tsy mivoaka ny hery ao anatintsika satria mbola voasakan’ny aretina isan-karazany ka mahatonga ny vatantsika tsy ho araka ny tokony ho izy marina. Fa rehefa tonga kosa isika amin’ny fahasitranana marina, dia tsy maintsy hivoaka ireo hery ireo. Saingy mila manam-paharetana isika miandry izany!
Aza adinoina ihany koa fa teo amin’ny fiainana teo aloha, dia mbola ambany ny tauix vibratoire teto an-tany ka mbola sarotsarotra ny famoahana ireo hery ao anaty tamin’izany. Saingy ankehitriny, dia efa niakatra be ny taux vibratoire teto an-tany, ka lasa mora amintsika kokoa ny mamoaka ireo hery ireo rehefa salama marina ny tenantsika. Koa mbola misy antony ihany ve tokony hilantsika rituels raha salama marina isika, amin’izao “vibration” efa ambony be izao?
Ny olana iray ankoatra ny fahasalamana, mety manakana ny fivoarantsika koa, aorian’ny Fandresena ny fahafatesana, dia ny fahafahantsika mitsakotsako ny momba ity Spirtualité ity, mba tsy hameno toerana be ao anatintsika ihany izy ity, fa ho azo fntinina marina, ka hahazoan’ny fahalalana vaovao indray ho afaka hiditra hatrany ao anatintsika indray. Raha tsy haintsika ny mizara ny marina amin’ny hafa, dia tsy hifintina mihitsy izany fahalalana izany, ka isika ihany no tsy hahazo ireo vaovao mila fantatsika hafa indray. Koa maneke ny hizara ny tsara sy ny marina amin’ny hafa, mba ho azonao indray ny vaovao hampiakatra anao ho ambony hatrany!
Alaivo an-tsaina fotsiny, raha miteny ny tenako sy ny nandalovako aho, dia efa tamin’ny 2012 aho no tonga tamin’ny Eveil spirituel, nefa mbola tsy mahasokatra ny hery rehetra ato anatiko aho ankehitriny, izany hoe efa 10 taona lasa izay, satria fantatro ny aretina mbola sitranin’ny Fanahiko ato anatiko ankehitriny! Mandre ny fihetsiny isan’andro ato anatiko aho, ary tena zava-dehibe izany satria hahalalako ny toerana tena misy ahy ankehitriny! Tsy olana amiko izany, fa manaraka Azy fotsiny aho, satria mahatoky tanteraka Azy aho! Ary ny hahalalako fa mandeha araka ny tokony ho izy ny Spiritualité ato anatiko, dia ny fahitako ny 8:03 izay mitambatra ho 11 izay midika “illumination” isan’andro, nefa manamarina ihany koa fa mety ny fandehan’ny Spiritualité ato anatiko, ampian’ny tenako tsy marary mihitsy fa matanjaka be indray aza. Tsy mampiasa rituels aho, fa mihaino ny ato anatiko fotsiny ary manaraka ireo “Exercices spirituels” izay efa nozaraiko taminao hatrizay ihany!
Koa hoy aho hoe : Aza maika loatra ianao hanokatra ireo “hery” ao anatinao avy hatrany, sao ho azon’ny fahafatesana ihany atsy aoriana, ka voatery handalo ilay Fiainana efa sarotsarotra kokoa noho izao indray, rehefa miverina velona eto an-tany ihany! Tsy aleo ve mba ezahina ny handeha amin’ny fiainana araka ny tokony ho izy marina ankehitriny, avy amin’ny fanarahana ny Lalana marina ao anaty ihany? Tsy manery anao anefa aho, fa toro-lalana fotsiny no omeko, fa ianao ihany no tompon’ny fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainanao marina!
Dia mirary soa ho antsika rehetra mba hahita ny Lalana marina, ka tsy hiverina handray indray ny Fiainana sarotsarotra kokoa aorian’ny fahafatesana intsony, fa ho afaka ny hivadika ho Andriamanitra marina isika tsirairay ankehitriny!
Raha mahaliana anao ity lahatsoratra ity, dia mba ataovy j’aime mba ho hitan’ny hafa ihany koa, nefa koa ho soa ho antsika rehetra ihany.
NORO KRISTY