10/03/2026
Message de Notre President Ny RADO RAFALIMANANA
Ry Mpiray Tanindrazana Malagasy 🇲🇬,
Madagasikara dia tena mila fiovana lalina sy maika. Mila firaisankina marina isika mba hiaro sy hampandroso ny Malagasy 32 tapitrisa, indrindra ny taranaka vaovao izay hitondra ny hoavin’ny firenena.
Aoka hatsahatra ny adinareo mpanao politika sy fifamaliana tsy misy antony. Fotoana izao hieritreretana lehibe ho an’i , Tanindrazana tiantsika iombonana.
Tsy maintsy anaty sambo isika Malagasy rehetra, satria iray ihany ny hoavin' i .
Raha tena te hampandroso an’i Madagasikara isika, dia mila fitarihana matotra sy tompon’andraikitra, afaka mitondra ny sambon’ny firenena amin’ny lalana mazava sy vina lavitr’ezaka ho an’ny taranaka ho avy.
Madagasikara dia tany tsy misy ady, kanefa dia mikoroso fahana sy mihemotra ny firenena. Satria tsy ny tany no miady fa ny Mpanao Politika no miady seza.
Tsy tokony ho saribakolin’ny tombontsoan’ny vahiny intsony i Madagasikara, indrindra I Frantsa izay nanjanaka antsika nandritra ny enimpolo taona nefa mbola manohintohina ny fahaleovantentsika ara-politika sy ara-toekarena.
Aoka koa hatsahatra ny fahazarana manome tsiny lalandava ny vahoaka Malagasy.
Io foana no vohizin'ny mpanao Politika.
Tsarovy tsara fa: “Rehefa ny loha ny fary no mangidy, mangidy daholo ny iray manontolo na dia matanjaka toy inona aza ny vanony.”
Tsy azo ekena intsony koa ny firaisan-tetika ataon’ireo tambajotra vahiny sasany, indrindra ny vitsivitsy izay manao tantely afa-drakotra ny firenena, ka manararaotra ny haren’i Madagasikara sy ny fahalemena misy eto.
ENY! Ianareo mpanao politika izay lasa saribakolin’ny tombontsoan’olona ivelany, dia anisan’ny fototry ny fahatran’i Madagasikara. Tokony hiverina amin’ny fanompoana ny firenena sy ny vahoaka ny .
Koa amin’izany dia mitodika aminareo Tanora Malagasy ny antso:
Miavaha, miezaha amin’ny fianarana, ary mandehana mitondra fahazavana ho an’ny hafa.
Aoka ianareo ho ilo mitaratra ny sain’ireo tanora hafa, mba hahatonga ny taranaka Malagasy ho sarotiny amin’ny ho avin’ny Tanindrazana.
Satria ny tena mananjina dia manakasintsara.
Noho izany dia ilaina ny manova tanteraka ny fomba fisainana sy ny fomba fitantanana ny firenena. Aoka hatsahatra ny fifampizarazarana sy ny fifampiantsoana.
Andao hiara-hitsangana, hiara-hiasa, ary hitondra an’i Madagasikara ho amin’ny lalana vaovao.
Madagasikara matanjaka, miray hina ary tena mahaleo tena.
Izay no atao hoe NY FANAHY MAHA-OLONA, NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY.
Mandrosoa Hasina
Ny Rado RAFALIMANANA
President of NYROH
www.nyradogroup.com