Livraison Kinga - Tana

Livraison Kinga - Tana Livraison rapide et securiséé

11/02/2026

Miarahaba tompoko
Tsy misokatra ny agence anio
mankasitraka indrindra 🙏
Mankahery ireo niharambona rehetra indrindra ianareo ao tamatave

26/09/2025

Nohon'ny toe-drahara misy eto amin'ny firenena dia tsy misokatra ny agence de livraison kinga anio sy rahampitso
Mankahery ireo mpandraharaha izay niharan'ny fandrobana
Mankasitraka tompoko

Mirary taona feno fitahiana sy fahombiazana ho antsika rehetra
01/01/2025

Mirary taona feno fitahiana sy fahombiazana ho antsika rehetra

https://www.facebook.com/100085596736601/posts/416601497869738/
10/05/2024

https://www.facebook.com/100085596736601/posts/416601497869738/

LIVREUR VENTE EN LIGNE VOAVELY BOIS ROND - NOROBAINA NY ENTANA - VOASAMBOTRA IREO NAHAVANON-DOZA



📱 Mody mividy entana ry zalahy any anaty tambazotran-tserasera any.
📌 Raikitra ny fifampivarotana.
📌 Aterin'ny "livreur" ny entana.
🛑 Ny zava-doza dia omeny adiresy mandalo ilay mpanatitr'entana ka any no namelezan'ireo olon-dratsy azy.

👉06/05/24 - 3 ora sy sasany
🚲Ambohimitsara, fkt/Cr Ambohimangakely Dist Antananarivo Avaradrano.
⚠️ Livreur akanjo novidiana en ligne iray no voadaroky ny . ⚠️Jiolahy miisa roa no namely azy ka torana tsy nahatsiaro tena ilay tovolahy. Lasa ny akanjo maromaro mitentina 500.000 ariary sy bisikileta .

📌 Nametraka fitoriana avy hatrany teo anivon'ny ny voaroba. Natao ny fikarohana.

🚨 Talata 07 May 2024 - 10 ora.
🚓 Voasambotry ny zandary avy ao amin'ny tao amin'ny ny tovolahy iray, sy ireo lamba nangalariny. Tratra teny Ampasapito kosa ny mamany iray taorian'izay.

🚨 Samy mponina ao Ambatokaranana ary Météo Fokontany Ampasapito izy roalahy ireo ary efa mpanao sera maloto eny amin'ny eny.

⚖️ Natolotra ny fampanoavana androany zoma 10 May 2024 izy roalahy ary dia nidoboka am-ponja vonjimaika.

🛑

📌 Varotr'entana no atao fa tsy varotr'aina: rehefa client hafahafa dia aza midi-kizo mandefa livreur any amin'ny toerana tsy mahazatra sy tsy azo antoka.
📌 Rehefa tsy hividy amin'ny toerana mazava sy be olona ilay client: . Entana tsy ho simba io toy izay ho perte miaraka amin'ny aina.
🛑 : Aza mi-risque amin'ny mety hahafaty anao. Ataovy mazava sy hainao ny fotoana ifanomezana.
📌 Aza miditra irery anaty trano, lalan-kely, toerana mangina.
🚨 JIOLAHY: Tsy mbola nisy naharitra ela amin'ny fanaovan-dratsy. Rehefa feno ny 99 dia tsy maintsy LISANY

👮🏻‍♂️👮🏼‍♂️👮🏿‍♂️👮

Eny oa 😅Hataonay foana livraison anareo fa rahampitso no farany dia mihato kely alarobia satria efa fatantsika kosa eee ...
29/04/2024

Eny oa 😅
Hataonay foana livraison anareo fa rahampitso no farany dia mihato kely alarobia satria efa fatantsika kosa eee 1ère Mai 😊
Alakamisy indray isika dia efa miverina

Mankasitraka antsika mpanjifa rehetra izay nametraka fahatokisana taminay nandritra ity taona 2023 mbola vonona izahay h...
31/12/2023

Mankasitraka antsika mpanjifa rehetra izay nametraka fahatokisana taminay nandritra ity taona 2023 mbola vonona izahay henome ny tsara ho anareo amin'ny taona manaraka koa mankatelina tompoko ❤️🙏
Mihato ny fanaovana livraison manomboka anio miverina miasa kosa izahay ny alarobia 03 janoary

https://www.facebook.com/100063618398764/posts/851849453612327/?app=fbl
26/11/2023

https://www.facebook.com/100063618398764/posts/851849453612327/?app=fbl

AZA MAMPIJALY LIVREUR...

Manaiky aho, tena manaiky hoe: misy livreur tsy matotra, misy ny livreur mamofona toaka, misy ny livreur tara fotoana loatra, misy livreur tsy mahazo resaka mihitsy rehefa hanazavana zavatra... Hey, manaova tatitra any amin'ny patron-ny!!!

Saingy imagineo hoe: niainga ny livreur iray atao hoe: RATREMA, falifaly ery izy hihainga hanatitra ny entanao: tsy noraisinao mihitsy nefa ny appel-ny rehefa tonga teny amin'ny fotoana nifanomezana...

Alaivo sary an-tsaina hoe: moto simban'ny fiainana no homen'ny société azy, ny an'ny sasany moa bisikileta maty kapoka, ny livreur sasany mandeha bus...
Mila tonga any an-tranonao amin'ny lera nifanekena nefa izy n'inona n'inona simba!

Imagineo hoe: mandeha bisikileta izy namakivaky an'Antananarivo iray manontolo amin'ity hafanana be mampitsonika labozia ity...
Tsemboka loatra izy dia somary midofaka ny fofona isan-karazany...
Tsy noraisinao nefa ilay entana nateriny satria tsy présentable eo hanatrehanao izy?

Hey, mitombina ve ny exigeance-nao?

Alaivo sary an-tsaina hoe: désorganisé ilay patron-any, adinon'ilay patron ny nanome instruction an'ilay livreur dia misambadidaka ny planification, nifamadika ny entana, tsy ampy ny isan'ilay commande: jereo tsara hoe iza no kitakitainao?
Jereo hoe aiza no mianjera ny riatra? Any amin'ny livreur!

Alaivo sary an-tsaina hoe: marobe amin'ny olona hanaovana livraison anie no tsy mahay manazava ny toerana hanaterana an'ilay entana e; dia mihodinkodina tsy misy farany eran'ny tanàna eo ny livreur mitady an'ilay trano,....

Mijere vaovao fa maro amin'ireny livreur ireny anie no voaendaka e, tratran'ny accident eny an-dalana, voan'ny sito-mahery eny an-dalana, simba moto, kotsan'ny orana, danihan'ny masoandro, kitakitain'ny patron désorganisé... ianao nefa tsy mba afaka mba hifanazavana mihitsy!

Hey, 3000ar ve no hanaovanao tsinontsinona olona?
3000ar sy 4000ar tsy mankany am-paosiny directement akory?

⛔ Ratrema ah, fa nga moa tsy gratosy ny Livraison?
Fa maninona no 3000ar no frais de livraison omena anao? Ataovy ampy anao ity frais bus ity Ratrema ah...

Hey, tadidio fa olona hanana ny maha izy azy io olona io any aoriana kely any... maro be anie ny olona manana licence, master II manao livraison zao an! Eo am-piandrasana poste izy, na koa vacance dia mba miasa kely aloha... tandremo ny vava fa miantraika any amin'ny taranaka anie io fanambaniana olona io e!

Efa nandramanay mivady ny nanao livraison... nalainay mivady mihitsy ny toeran'ny livreur nanandramanay nandritran'ny roa andro; talanjona izahay fa hay na io ianao mandray appel io aza dia mitondra soulagement tsy takatrin'ny saina tao am-ponay, ohatran'ireny afa-panadinana ireny izahay t@zany rehefa tsy mi-sonné libre ny findain'ilay olona hanaterana entana.

Possible hiasa ao amin'io livreur tsinitsiniavinao io ianao fa tandremo ihany...
Possible ho io koa no ho vadin'ny zanakao fa tandremo
Possible ho livreur koa ianao any aoriana any.

Noho izany tandremo ny vava
Tsara ity sabotsy ity

15/11/2023

Ry mpanjifa hajaina
Tsy misokatra ny agence de livraison kinga
rahampitso 16 novembre 2023
miverina miasa kosa ny 17 novembre
Mankasitraka antsika hatrany mametraka fahatokisana aminay🙏
Mirary tontolo andro mahafinaritra

Eny tokoa🤣Mirary herin'andro feno fahombiazana ho antsika rehetra indray ary e
07/08/2023

Eny tokoa🤣
Mirary herin'andro feno fahombiazana ho antsika rehetra indray ary e

Mirary taona feno fahombiazana ho antsika rehetra ny ekipan'ny livraison kinga tana 💕
01/01/2023

Mirary taona feno fahombiazana ho antsika rehetra ny ekipan'ny livraison kinga tana 💕

Address

Behoririka
Antananarivo
101

Telephone

+261347757954

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Livraison Kinga - Tana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category