28/03/2026
RAHA EFA MATY ILAY OLONA AO AMIN’NY CARTE GRISE DIA INONA NO TOKONY HATAO ? 🚗👇🏻
Fiara efa novidina sy nampiasaina, nefa mbola tsy nahavitana acte de vente légalisé indrisy anefa fa maty ilay olona izay misoratra anaty " carte grise " .
Inona no atao🤔?
👉Azo atao tsara ny manao ny " mutation " , saingy mila arahina tsara ny dingana rehetra ...
__________
🛑 Inona moa ilay hoe mutation fiara ?
👉🏻 Io dia fanovana ny anarana ao amin’ny carte grise avy amin’ny tompony taloha ho amin’ny tompony vaovao.
👉🏻 Ka raha efa maty ilay tompony voasoratra, dia tsy maintsy mandalo amin’ny fandovàna na fanomezan-dalana avy amin’ny mpandova rehetra
⚠ Tsy azo atao mivantana anefa io fanovàna anarana io raha tsy misy porofo fa :
✅ Eken’ny mpandova rehetra
✅ Ara-dalàna ny nahazoanao ilay fiara
🛑 Ireo antontan-taratasy ilaina amin'izany ?
👉🏻 Taratasy momba ilay nodimandry :
✅ acte de décès
✅ Déclaration de succession tany amin'ny Centre Fiscal
✅ acte de notoriété
✅ Fanomezan-dalana (procuration) avy amin’ny mpandova rehetra
na acte de partage raha efa nizara lova
👉🏻 Taratasy momba ny fiara :
✅ Carte grise originale
✅ Acte de vente (raha efa nivarotra taminao ny mpandova)
✅ Attestation de non gage raha numéro any amin'ny Faritra.
✅ Contrôle technique manankery
👉🏻 Taratasy momba anao ( tompony vaovao ) :
✅ Photocopie CIN certifié
✅ Certificat de résidence
🛑 Ireo dingana mila harahina :
✅ Atao mazava tsara amin'ny mpandova rehetra fa amidy ilay fiara
✅ Manao taratasy ara-dalàna : Acte de vente légalisé eny amin'ny Commune.
✅ Manangona ny dossiers rehetra ary manao mutation eny amin’ny CIM.
⚠ Tsy sarotra ny mikarakara azy io raha efa voaomana tsara daholo ny taratasy rehetra.
👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊
__________
🔵🔴 Torohevitra maimaimpoana hatrany
🔵🔴 Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra 😊
📍 Birao : Ambohidahy Ankadindramamy
☎ Agence MTR : +261 34 27 576 43