11/08/2026
Zava-dehibe ny "FAHAIZANA MIHAINO" rehefa eo ny voix off, be dia be ny zavatra mila enoina asa ity:
1️⃣ Mihaino ny Clients :fanamarihina sy izay tiany ho atao voix off sns
2️⃣ Mihaino ny feo manodidina sao misy Bruits be loatra alohan'ny anomboana ( mba tsy amerimberenana asa matetika)
3️⃣ Mihaino sy miezaka mahatakatra ny tian'ny lahatsoratra ho lazaina, mba ahafahana misafidy ny feo sy lantom-peo mifanaraka !
4️⃣Mihaino ny Asa Vita : ity tena zavadehibe , tsy vitany mihaino fotsiny rehefa eto fa sady mihaino,no mamaky ny lahatsoratra ( tahaka io ataoko io 😊) , indraindray an, rehefa eo ampanaovana enregistrement, dia tena misosa be, toy ny tsy misy diso mihitsy, fa rehefa henoina tsara sady amarinina azy, dia kay nisy teny iray latsaka tao 😅 raha nahatoky tena aho izany ka ilaza hoe top 👌 tsy misy diso lay teo,dia mety amerina asa indray rehefa anome fanamarihana ny clients🤭
Mbola maro be fa ireo aloha no takatrin'ny saiko androany 😅 tohizantsika manaraka🥰🥰