21/10/2025
Nahatsiaro nanana adidy sy andraikitra izahay ato amin’ny Association Mitsinjo ny Ankizy (AMA) eto Moramanga, manoloana ny tranga nahazo zaza iray mila fandidiana maika any Antananarivo.
Noho izany, dia nitondra anjara biriky izahay ho fanampiana azy sy ny fianakaviany amin’izao fotoan-tsarotra iainany izao.
Na eo aza izany rehetra izany anefa, dia mbola ilaina hatrany ny fanohanana ara-bola, satria mbola mitohy ny fitsaboana sy ny fandaniana maro. Izany no antony anaovanay antso avo amin’ny vahoaka eto Moramanga sy izay rehetra tsara sitrapo, mba hanampy amin’ny endriny rehetra araka izay azo atao.
Ho an’izay tia hanampy manokana dia afaka miditra amin’ny hafatra miafina (message privé) mba hahazoana ny laharan-telefaonina ifandraisana amin’ilay ny fianakaviany.
Tsy hadino ihany koa ny fangatahana am-bavaka, mba ho tanteraka soa aman-tsara ny fandidiana sy ho tonga amin’ny fahasitranana tanteraka ilay zaza. 🙏
✨ “Sambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”
— Association Mitsinjo ny Ankizy (AMA)